Nicene Creed in Malagasy | Fanekem-Pinoana Nikeana

Nicene Creed
Information

Ny Finoana Nikaia, izay noforonina tamin’ny Fihaonambe voalohany tao Nikaia tamin’ny taona 325 taorian’i Kristy ary nohavaozina tamin’ny Fihaonambe tao Konstantinopla tamin’ny taona 381 taorian’i Kristy, dia fanambarana fototra momba ny finoan’ny Kristianina. Natao izy io mba handresena ny disadisa teolojika, indrindra ny Arianisma, izay nanontany ny maha-Andriamanitra an’i Kristy. Ny finoana dia manamafy ny Maha-Trinite (Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina) ho mitovy sy mandrakizay, manasongadina tanteraka ny maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesosy Kristy. Mijoro ho fanambarana fototra amin’ny fiangonana Kristianina maro izy io, na dia misy aza ny fahasamihafana: ny Fiangonana Ortodoksa Atsinanana sy ny Fiangonana Katolika Romana dia mampiditra ny fehezan-teny hoe “mivoaka avy amin’ny Ray,” raha ny dikan’ny Katolika kosa dia manampy ny hoe “sy ny Zanaka” (Filioque), izay fahasamihafana teolojika lehibe amin’ny Kristianisma Ortodoksa. Zava-dehibe ity finoana ity satria mampiray ny ankamaroan’ny fiangonana Kristianina amin’ny finoany fototra ary mametraka sisintany ho an’ny doktrina Kristianina ortodoksa.

Fanekem-Pinoana Nikeana

Izaho mino an’Andriamanitra tokana,
Ray mahefa ny zavatra rehetra,
nanao ny lanitra sy ny tany
ary ny zavatra rehetra
na ny hita maso na ny tsy hita.

Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana,
Zanaka lahitokan’Andriamanitra,
teraky ny Ray
talohan’ny taona rehetra.

Andriamanitra avy amin’Andriamanitra,
fahazavana avy amin’ny fahazavana,
Andriamanitra marina
avy amin’Andriamanitra marina.

Nateraka Izy fa tsy natao,
iray fomba amin’ny Ray,
ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

Isika olombelona
sy ny famonjena antsika
no nidinany avy any an-danitra.

Ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy,
noho ny herin’ny Fanahy Masina,
ka tonga olombelona.

Nofantsihana tamin’ny hazofijaliana
ho antsika indray koa,
tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty,
nijaly ary nalevina.

Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo,
araka ny voalazan’ny Soratra Masina,
niakatra any an-danitra,
dia nipetraka eo an-kavanan’ny Ray.

Mbola ho avy amim-boninahitra indray,
hitsara ny velona sy ny maty,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

Izaho mino ny Fanahy Masina,
Tompo sy loharanon’aina,
avy amin’ny Ray sy Zanaka.

Tsaohina sy omem-boninahitra
miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka,
ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany.

Izaho mino ny Eglizy,
Iray, Masina, Katôlika, Apôstôlika.

Izaho mankatò ny batemy tokana
ho fanalana ny fahotana.

Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty
sy ny fiainan-ko avy.
Amen

Learn with English

Izaho mino an’Andriamanitra tokana,
I believe in one God,

Ray mahefa ny zavatra rehetra,
the Father Almighty,

nanao ny lanitra sy ny tany
maker of heaven and earth,

ary ny zavatra rehetra
and of all things visible

na ny hita maso na ny tsy hita.
and invisible.

Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana,
I believe in one Lord Jesus Christ,

Zanaka lahitokan’Andriamanitra,
the only-begotten Son of God,

teraky ny Ray
begotten of the Father before all worlds.

talohan’ny taona rehetra.
Light of Light,

Andriamanitra avy amin’Andriamanitra,
very God of very God,

fahazavana avy amin’ny fahazavana,
begotten, not made,

Andriamanitra marina
being of one substance with the Father,

avy amin’Andriamanitra marina.
by whom all things were made.

Nateraka Izy fa tsy natao,
Who, for us men and for our salvation,

iray fomba amin’ny Ray,
came down from heaven,

ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.
and was incarnate by the Holy Spirit of the Virgin Mary,

Isika olombelona
and was made man.

sy ny famonjena antsika
And was crucified also for us under Pontius Pilate,

no nidinany avy any an-danitra.
suffered and was buried;

Ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy,
and the third day he rose again, according to the Scriptures;

noho ny herin’ny Fanahy Masina,
and ascended into heaven, and sits on the right hand of the Father.

ka tonga olombelona.
And he shall come again, with glory, to judge the quick and the dead;

Nofantsihana tamin’ny hazofijaliana
whose kingdom shall have no end.

ho antsika indray koa,
I believe in the Holy Ghost,

tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty,
the Lord and giver of life,

nijaly ary nalevina.
who proceedeth from the Father and the Son,

Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo,
who with the Father and the Son together is worshipped and glorified,

araka ny voalazan’ny Soratra Masina,
who spake by the prophets.

niakatra any an-danitra,
And I believe in one holy catholic and apostolic Church.

dia nipetraka eo an-kavanan’ny Ray.
I acknowledge one baptism for the remission of sins.

Mbola ho avy amim-boninahitra indray,
And I look for the resurrection of the dead,

hitsara ny velona sy ny maty,
and the life of the world to come.

ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Amen.

Izaho mino ny Fanahy Masina,
I believe in the Holy Spirit,

Tompo sy loharanon’aina,
the Lord and giver of life,

avy amin’ny Ray sy Zanaka.
who proceedeth from the Father and the Son.

Tsaohina sy omem-boninahitra
Who with the Father and the Son together is worshipped and glorified,

miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka,
who spake by the prophets.

ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany.
And I believe in one holy catholic and apostolic Church.

Izaho mino ny Eglizy,
I acknowledge one baptism for the remission of sins,

Iray, Masina, Katôlika, Apôstôlika.
And I look for the resurrection of the dead,

Izaho mankatò ny batemy tokana
and the life of the world to come.

ho fanalana ny fahotana.
Amen.

Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty
I believe in the resurrection of the dead,

sy ny fiainan-ko avy.
and the life of the world to come.

Amen
Amen.

We receive commissions for purchases made through links in this page.